Izaho manirery

Manga

Publié par   : Toky le  : juillet 7, 2009

DSC08343

Manga… toy ilay lanitry ny fifankatiavan-tsika roalahy fahiny, fony isika mpianatra. Manga, toy ilay ranomasina nampianaran’ialahy ahy nilomano fony aho vato alatsaka (!), nefa manga ihany koa, toy ilay voankazo maniry teo antokon-tanin’ilay sekoly niarahan-tsika.

Sendra nividy io manga masaka io aho (70.000 fmg vola gasy ny vidin’ilay manga iray aty!!!) no nahatsiaro an’ialahy, nahatsiaro antsika, ilay fiarahana taloha. Mamy ery izany fiarahana izany, toy ireo manga niarahana nihinana. Satria tokoa mantsy ialahy no havanana @ fianihana, dia izaho izany ilay “miandry mahazo” ety ambany. Nefa tena tsy havanana tokoa ve izaho @ fianihana hazo? Sa kosa fitiavana te hijery an’ilay olon-tiako mananika ny avo no nanosika ahy hijanona teny ambany. Ilay sandrinao mamihina ireo ratsan-kazo, ilay ranjonao mafy sy mahery  manavatsava ireo sampan-kazo… ary izaho variana sy talanjona hatrany hatrany mijery sy mandinika anao, ilay voaloham-pitiavako.

Manga, mariky ny fitsinjovanao ahy ihany koa. Impiry moa aho no tsy afaka niaraka taminao tany an-ala, nefa dia nitondranao manga, na dia navesatra taminao aza ny nilanja izany hatrany am-pianarana.

Manga, toa voankazo ihany, nefa mariky ny fiarahan-tsika. Ilay fampiarahana eny ambodi-manga harivariva mody masoandro iny. Isika nifampitantana anaty ala-manga satria tsisy mahita. Isika afaka naneho ny fitiavan-tsika satria toy ny irery eto ambonin’ny tany saroman’ireo ala-manga.

Voankazo mety lo anefa ny manga. Fa ny fitiavako anao ry ilay tiako, na dia any an-tany lavitra aza aho, dia tsy ho lo na oviana na oviana.

Satria na dia efa 10 taona lasa aza izay, na ranomasina aza no manasaraka antsika, na dia efa manambady aman-janaka aza ianao, dia tiako ary ho tiako foana ianao ry ilay olon-tiako, ilay notiaviko ary ho tiaviko mandrakizay.

Tags : ,

1 réponse à "Manga"

Tiako be daholo ny blaoginao fa ity no tena mampiakatra santimaka be… Ra mamaky an’ity hevitra ty ianao dia… maninona ra tohizina ny blaogy? mievitra ko ah nefa fa mety efa nilamina zay ny resaka tarantasy an?

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.