Publié par : Toky le : juillet 31, 2009

Fialan-tsasatra izao ny aty andafy. Lasa mamonjy moron-dranomasina avokoa ny ankabetsahan’ny olona, hany ka toa mangadihady be izany ny tanàna. Na ny mpifanolo-bodi-rindrina aza dia tsy misy ao. I Christian koa izany miasa foana, mandeha maraina ary tsy mody raha tsy hariva. Ny malagasy anefa tsy miasa @ izao fotoana satria lasa niala sasatra koa ny mpampiasa. Dia inona moa fa dia miandry trano no atao, na miantso antariby. Satria na ny namana aza dia lasa avokoa, dia inona fa dia manirery e.
Ny hany fanalana andro dia mijery olona miboridana @ webcam, dia taraiky eo. Manomboka @ 10 ora maraina eo ny fijerena olona miboridana, ary tsy mitsahatra izany raha tsy @ 5 ora hariva, ora fikarakarana sakafo hariva, sady fampirimana trano koa alohan’ny ahatongavan’i Christian!
Ny eritreritra @ io manenjika ihany. Lasa ny saina hoe ity izaho dia lany andro mampidera bika sy mandany andro mijery vazaha miboridana. Toa lasa zava-mahadomelina ho ahy ilay fijerena vazaha miboridana, sy mampiseho ny vatako ao @ Internet. Nefa io sisa no fandaniana andro, satria raha tsy manao io izaho dia toa ela be izany vao hariva ny andro. Indrisy!
Tsy andry ny ahatongavan’ny sabotsy sy alahady, satria mba samy eo izahay roa @ izay, dia mba misy mangirana ilay fiainako. Soa ihany aza fa eo izy, mba manala fahasorenana, mba manampy ahy hahatsapa fa tsy irery tokoa aho fa mbola manana azy mitsinjo ahy. Raha tsy teo angamba izy dia mety efa ho nanao foana aho tahaka izay. Nefa mbola tsy eo @ izay sehatra izay aloha izaho hatreto.
Misaotra anao namaky.