Izaho manirery

Tady

Publié par   : Toky le  : novembre 16, 2009

corde

Tady, toy ilay fitaovana natao hamatorana entana, na zavatra anankiroa, nefa tsy zavatra ihany anefa fa mety ho olona ihany koa, na mety ny saina, na ny eritreritra.

Tady, toy ilay tadim-poitra nampitohy ny zaza amin’ny reniny fony izy tany am-bohoka.

Tady, toy ilay rohy mampitohy sy mampihavana ny mpianakavy, ny mpinamana, ny mpifankatia.

Tady, toy ilay rohy tapaka rehefa mandeha manam-bady ny zatovo ka hikopa-kelatra.

Tady, toy ilay fatotra mangeja ny olona sasany ka mahatonga azy ireo tsyafaka mikofoka, tsy afaka misaina ary tsy afaka mamakafaka noho ny firehan-kevitra, finoana, fombafomba isan-karazany.

Tady, rohy mamatotra nefa mety hangeja ary mety tapaka ihany koa rehefa samy miziriziry amin’ny heviny ny tsirairay.

Tady, natao hatsipy hanavotana olona anaty fotaka mandrevo, anaty fahaverezana…

Tady,  hatsipy eny an-tandroky ny omby ary teny atsipy ho an’ny mahalala (indrindra ho an’ny fianakaviako raha kisendrasendra ka mamaky ity lahatsoratra ity izy ireo).

Satria ho avy tsy ho ela any madagasikara aho hiatrika anareo, toy ny olona nanao fahadisoana ary hiatrika fitsarana, kanefa anie ny helony dia tsy inona akory fa ny fitiavany hafa endrika, fitiavana lazaina fa mamoafady, kanefa fitiavana ihany na izany na tsy izany.

Andeha any Madagasikara satria mety izay no:

- hampitohy indray ny rohy nampitohy antsika mianakavy hatrizay

-  hamaha ireo fatotra nangeja antsika hatrizay noho ny fijery tsy mitovy, ny firehan-kevitra… mba hitovizan’ny tadin-dokanga.

-  hanapaka ihany koa ilay rohy nampihavana antsika satria mety tsy hisy fanafodiny intsony raha ny fihavanana eo amin-tsika no resahina (satria samy tsy misy mety hilefitra na ny andaniny na ny ankilany).

Na izany na tsy izany dia ho avy aho, miaraka amin’ny tadiko…

Tags : ,

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.