Publié par : Toky le : mars 29, 2010
Gagagaga ihany aho raha sendra nitsidika ny tranonkala takelaka.org satria ity tranonkalako ity no hitako teo @ page d’accueil. Mba tsy nampoiziko koa iny marina, nefa na izaho aza tsy nahatadidy intsony hoe nanao ity moa kay izaho. Noho izany dia tantaraiko indray ny fiainako faramparany. Ny resaka taratasy aloha dia mbola tsy misy tokontaniny. [...]
Publié par : Toky le : novembre 16, 2009
Tady, toy ilay fitaovana natao hamatorana entana, na zavatra anankiroa, nefa tsy zavatra ihany anefa fa mety ho olona ihany koa, na mety ny saina, na ny eritreritra. Tady, toy ilay tadim-poitra nampitohy ny zaza amin’ny reniny fony izy tany am-bohoka. Tady, toy ilay rohy mampitohy sy mampihavana ny mpianakavy, ny mpinamana, ny mpifankatia. Tady, [...]
Publié par : Toky le : juillet 31, 2009
Fialan-tsasatra izao ny aty andafy. Lasa mamonjy moron-dranomasina avokoa ny ankabetsahan’ny olona, hany ka toa mangadihady be izany ny tanàna. Na ny mpifanolo-bodi-rindrina aza dia tsy misy ao. I Christian koa izany miasa foana, mandeha maraina ary tsy mody raha tsy hariva. Ny malagasy anefa tsy miasa @ izao fotoana satria lasa niala sasatra koa [...]
Publié par : Toky le : juillet 7, 2009
Manga… toy ilay lanitry ny fifankatiavan-tsika roalahy fahiny, fony isika mpianatra. Manga, toy ilay ranomasina nampianaran’ialahy ahy nilomano fony aho vato alatsaka (!), nefa manga ihany koa, toy ilay voankazo maniry teo antokon-tanin’ilay sekoly niarahan-tsika. Sendra nividy io manga masaka io aho (70.000 fmg vola gasy ny vidin’ilay manga iray aty!!!) no nahatsiaro an’ialahy, nahatsiaro [...]
Publié par : Toky le : juin 12, 2009
Miarahaba anareo mpamaky indray. Hafa be ilay lohatenin’ity lahatsoratra ity. Vongan-kena! toy ny hoe hena amidy eny analakely izany, misy lalitra indraindray…lol. Nefa dia toy izany matetika no fahitan’ny olona sasany ny vahiny aty an-tany lavitra aty. Vao hoe somary maintimainty ianao, na somary “sôkôla”…dia mitangorona ny fotsy hoditra. Hoy angamba ry zareo hoe “iny [...]