Publié par : Toky le : juillet 7, 2009
Manga… toy ilay lanitry ny fifankatiavan-tsika roalahy fahiny, fony isika mpianatra. Manga, toy ilay ranomasina nampianaran’ialahy ahy nilomano fony aho vato alatsaka (!), nefa manga ihany koa, toy ilay voankazo maniry teo antokon-tanin’ilay sekoly niarahan-tsika. Sendra nividy io manga masaka io aho (70.000 fmg vola gasy ny vidin’ilay manga iray aty!!!) no nahatsiaro an’ialahy, nahatsiaro [...]